Nifanandrina tamin’ny "MATCH DE GALA" ny ekipan’ny Governemanta, notarihin’ny Praiminisitra RAJAONARISON Mamitiana, sy ny ekipan’ireo tomponandraiki-panjakana eto Mahajanga.
Fotoana iray nanehoana ny firaisankina, ny fifanomezan-tanana ary ny fanohanana ny fanatanjahantena an-tsekoly ity lalao ity.
Nafana ny lalao, isa 2 sy 2 no nisarahan’ny roa tonta, ary nandresy tamin’ny alalan’ny "tirs au but" ny ekipa avy eto an-toerana.
METFP, Aogositra 2026