Nofaranana androany ny tetikasa BIOCOM Madagascar, notanterahinโ€™ny UNESCO niaraka taminโ€™ny fanohananโ€™ny KOICA. Nisongadina ny fananganana ivon-toeram-piofanana tao Ranopiso sy Sambava ary ny fiofanana mifanaraka aminโ€™ny filร nโ€™ny faritra.

Ankoatra izany, nisy fiofanana fohy taminโ€™ny sehatra isan-karazany (couture, pรขtisserie, informatika, asa tanana), izay nanamafy ny fahaiza-manaonโ€™ny mpiofana sy nanokatra fahafahana ara-toekarena, sady nandray anjara taminโ€™ny fampihenana ny fiankinan-doha aminโ€™ny harena voajanahary.

Nandritra ny lahateniny, Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arakโ€™asa dia nanamafy fa mbola hotohizana sy hohamafisina ireo ezaka efa vita, ho fanohanana ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara.

#OloMahayRahaTsyVeryMandeha