MINISTERE DE L'ENSEIGNEMENT TECHNIQUE ET DE LA FORMATION PROFESSIONNELLE

"Olo mahay raha tsy very mandeha"

METFP

"Olo mahay raha tsy very mandeha"

𝗙𝗮𝗻𝗮𝗼𝘃𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗼𝗻𝗶𝗮 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗲𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗠𝗘𝗧𝗙𝗣 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗪𝗲𝗹𝘁𝗵𝘂𝗻𝘁𝗲𝗿𝗵𝗶𝗹𝗳𝗲 (𝗪𝗛𝗛).

𝗙𝗮𝗻𝗮𝗼𝘃𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗼𝗻𝗶𝗮 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗲𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗠𝗘𝗧𝗙𝗣 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗪𝗲𝗹𝘁𝗵𝘂𝗻𝘁𝗲𝗿𝗵𝗶𝗹𝗳𝗲 (𝗪𝗛𝗛).

Nosoniavina androany ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa sy ny Fikambanana Welthunterhilfe (WHH).
Ny "Ministère fédéral de la coopération économique et du développement d'Allemagne" (MBZ), no mamatsy vola ny tetikasa PASSAT 4 ary mikendry ny fanamafisana ny fahaiza-manao arak'asa eo amin'ny sehatry ny fanodinana fako. 
Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny METFP sy ny WHH, dia raisina ho modely ny CFP Ankadinandriana hampiharana ny tetikasa. Mialohan'izay dia hisy ny fandrafetana ireo torolalana ho an'ny mpampiofana sy ny boky ho an'ny mpiofana mba hahafahana manao fampiharana eo anivon'ny CFP.
#OloMahayRahaTsyVeryMandeha