MINISTERE DE L'ENSEIGNEMENT TECHNIQUE ET DE LA FORMATION PROFESSIONNELLE

"Olo mahay raha tsy very mandeha"

METFP

"Olo mahay raha tsy very mandeha"

𝗙𝗶𝘁𝘀𝗶𝗱𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗟𝗧𝗣 𝗧𝘀𝗶𝗿𝗼𝗮𝗻𝗼𝗺𝗮𝗻𝗱𝗶𝗱𝘆.

𝗙𝗶𝘁𝘀𝗶𝗱𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗟𝗧𝗣 𝗧𝘀𝗶𝗿𝗼𝗮𝗻𝗼𝗺𝗮𝗻𝗱𝗶𝗱𝘆.

Nitsidika ny LTP tao Tsiroanomandidy ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa, TSILEFA Antonio, notronin'ireo manam-pahefana ao an-toerana. Paikady tanterahan'ny Minisitera foibe ny fijerena akaiky ny fotodrafitr'asa, ny fampitaovana ary ny akora fototra, izay miantoka ny fampiofanana ny tanora, araka ny toromariky ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara.

Ho an'ny lisea teknika dia miisa 350 ny mpianatra amin'ity taom-pianarana ity ary efa betsaka ireo tovovavy liana sy mandrato fahaiza-manao eo anivon'ny LTP.  Ny taona 2013 no nisokatra ny lisea teknika ary ahitana sampam-piofanana toy ny "Bâtiment et Travaux Publics" (BTP), "Gestion", "Mécanique Automobile", "Installation système solaire photovoltaïque". Isan'ireo ezaka goavana ataon'ny mpianatra ao amin'ny sampam-piofanana BTP ny fanaovana fampiharana, amin'ny fananganana trano misy efitra lehibe iray ambany rihana ary efitrano fianarana miisa telo ambony rihana. 


#OloMahayRahaTsyVeryMandeha